Toekarena

Sehatra fizahantany Hanainga haingana ny toekarena Malagasy


  • Zoma 14 Jona 2019

Nanomboka omaly alakamisy 13 jona teny amin'ny CCI Ivato ny salon ITM (International Tourism Fair Madagascar) andiany fahavalo.

Mpandraharaha an-jatony misehatra eo amin'ny tontolon'ny fizahantany no tonga ary niezaka nampiseho ny mampiavaka azy ny faritra tsirairay. Nanatevin-daharana teny ihany koa ireo mpandraharaha vahiny maro be ary niavaka ny firenena Indonezia izay nasaina manokana tamin’ity ITM 2019 ity. Nampiseho ny talentany tamin’ny fahandroana sakafo sy ny hira ary ny dihy izy ireo. Anatin’ny 4 andro no hanatanterahana ny hetsika izay nanambaran’ny minisitry ny fizahantany, Randriamandranto Joel fa tsy maintsy hiteraka tombony ara-toekarena haingana ny sehatra fizahantany eto Madagasikara. Tsy vitan’ny hampiditra vola vahiny ihany fa hampiroborobo ny fandraharahana sy hampahafantatra ireo toerana maro tsara tsidihina eto amin’ny firenena. Eo ihany koa ny fampirisihina ireo sehatra tsy ara-dalàna hiditra amin’ny ara-dalàna amin’izay amin’ny alalan’ny fanisana ireo mpandraharaha manana tolotra amin’ny fizahantany hanatrarana ilay tanjona hampiditra mpizahatany miisa 500 000 amin’ny 2023. Tetsy an-daniny, nilaza ny praiminisitra Ntsay Christian fa hipetraka amin’ny sehatra fizahantany mihitsy ny fanantenan’ny Malagasy amin’ny sehatra fampandrosoana. Efa nanao ny ezaka rehetra ny governemanta, hoy izy ny amin’ny nametrahana ny fandriampahalemana izay tena nampikaikaika ny mpandraharaha. Tsy ampy izany fa ilaina ny ezaky ny rehetra mba hisy akony lehibe amin’ny toekarena ny fizahantany, hoy izy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT