Toekarena

Sehatra fizahantany Hampahafantarina ny mampiavaka ny any Atsimo


  • Zoma 22 Febroary 2019

Hanatsara indray ny fizahantany ny fisokafan’ny zotram-piaramanidina La Réunion – Fort Dauphin – Tuléar.

 

 Ho fanatsarana izany sehatra izany, indrindra ny any amin’ny faritra Atsimo, dia nanambara ny eo anivon’ny Ofisy nasionalin’ny fizahantany eto Madagasikara ONTM fa hisy indray ny zotram-piaramanidina vaovao. Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa amin’ireo olona matihanina misehatra amin’ny agence de voyages miisa  9 atsy La Réunion. Nilaza ny fahafaham-pony izy ireo amin’ny fiaraha-miasa ka anton’ny hivonon’ireo kaompania ana habakabaka Air Madagascar sy Tsaradia, ny ONTM, ny Air Austral ary ireo Ofisy regionaly ao Toliara sy Fort-Dauphin handray ireo matihanina ireo. Tanjona ny hisintomana mpizahatany ary hampahafantarana ireo masoivoho  any La Réunion ireo zotra 2 misy any Atsimo ireo. Araka izany dia Agence de Voyage Malagasy miisa 7 no ho avy hijery ny maha izy azy ny Atsimo tahaka ny baie de Lokaro, ny zaridainan’ny Saiadi, ny laka Anony ny valanjavaboary ao Tsimanampetsotse. Tokony hiomanana fatratra noho izany ny fotodrafitrasa sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay mety hiteraka laza ratsy amin’i Madagasikara raha tsy voafehy.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT