Toekarena

Sehatra fanodinana fako eto Madagasikara Hahazo asa ireo vehivavy marefo ara-pivelomanana


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Notanterahina tetsy amin’ny CFPF (Centre de Formation Professionnelle pour les Femmes) ny fanaovan-tsoniam-pifanarahana mahakasika ny tetikasa hanamboarana Biogaz amin’ny alalan’ny fako.

 

 

 

Ny CFPF sy ny Fondation Telma no nanatanteraka izany ho fitsinjovana manokana ireo vehivavy tena sahirana ara-pivelomana. Tanjona ny mba tsy hiankinan’izy ireo amin’ny hafa amin’ny lafiny ara-bola satria misy ihany koa ny fanofanana maro izay hiteraka asa avy hatrany hampaovin’ny CFPF azy ireo ankoatran’ny tetikasa. Anisan’izany ny resaka zaitra, ny fikarakarana zaridaina ary ny informatika sy ny sisa. Tsiahivina fa ity tetikasa fanodinana fako dia hanamboarana angovo ary hahazoana misitraka jiro amin’ny alalan’ny fampiasa groupe amin’ny biogaz. Tanjona ny hampihenana hatrany ny vola lany amin’ny fampiasana ny jiro sy ny fiampitana mankany amin’ny angovo azo avaozina izay tsy azo ihodivirana intsony ankehitriny.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT