Toekarena

Sehatra fambolena eto Madagasikara Tsy mahasahana ny 1% amin’ny hetra miditra akory


  • Sabotsy 26 Mey 2018

Omaly zoma 25 mey no natao ny fanaovana sonia fifanarahana fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana. Sahanala misy fikambanana 16 ahitana mpamboly lavanila miisa 1700 any amin’ny faritr’i SAVA sy ny NR Consult kabinetra ara-ketra ary ny sampandraharaha momba ny hetra no nanao ny fifanarahana.

 

 Tafiditra amin’ny politika fampidirana ny sehatra tsy ara-dalàna ho ara-dalàna ny fifanaovan-tsonia ary ireo mpamokatra lavanila amin’ny fikambanana Sahanala no hanome ohatra ny tantsaha rehetra amin’izany. Fantatra fa tena mbola ambany ny fandoavan-ketra amin’ny sehatra fambolena. Ankoatra ny tanjona ho fanaovana matihanina ny fihariana lavanila dia hisy fampiofanana sy fanaraha-maso amin’ireo tantsaha mba ho ara-dalàna amin’ny fandoavan-ketra izy ireo. Araka ny tatitry ny tale jeneralin’ny hetra dia ny fahasahiranan’ny tantsaha no tena antony tsy mampiraika azy amin’ny fandoavan-ketra na dia kely dia kely aza ny hetra takiana aminy. Nanome toky anefa izy fa raha mandoa hetra ny tantsaha any dia miverina amin’ny kaominina misy azy ny ampahany amin’ny hetra aloany. Hiteraka fampiroboroboana sy fampandrosoana any amin’ny toerana misy azy izany.

J. Mirija /Tsiry


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT