Toekarena

Sehatra ara-toekarena Ilaina ny fifehezana ny tena laharam-pahamehana


  • Talata 21 Aprily 2020

Samy manao izay ho afany ny firenena maneran-tany hiadivana amin’ny aretina coronavirus fa indrindra ny hanarenana ny toekarena. Saika mitodika any amin’ny fanohanana ireo Orinasa lehibeny izay voakasiky ny krizy ny ankamaroan’ireo firenena matanjaka.

 

 

Etazonia sy Sina dia mahatsapa ary manao vaindohan-draharaha ny famahana ny olan’ireo Indostria sy ny Orinasa voatery nakatona noho ny aretina ireo. Ny frantsay indray dia nanao fepetra maro be hanohanana ihany koa ireo orinasa sahirana ka anisan’izany ny fampindramam-bola hatrany amin’ny 300 miliara Euros hitazomana ny ain’ny Orinasa sy hampiodina azy hatrany. Eo ihany koa ny fanekena amin’ireo orinasa sasany ny tsy hanaovany ny famerenam-bola raha tsy vita ny herintaona fa ny zana-bola ihany no aloa isam-bolana. Mahakasika an’i Madagasikara dia anjaran’ny fitondram-panjakana ny mijery ny laharam-pahamehana ka mandray ny fepetra rehetra ny amin’izany. Mila mahay manavaka tsara ny maika sy ny afaka miandry ary ny tsy maika mihitsy ny fitondram-panjakana satria milaza ho sahirana daholo ny rehetra.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT