Toekarena

Seha-Pivoarana sy Andraharahana eto Madagasikara Mitaona ny mpandraharaha rehetra hivondrona


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitantanana ankapoben’ny hetra sy ireo mpikambana ao amin’ny Seha-Pivoarana sy Andraharahana eto Madagasikara (SPAM) dia nisy ny fiofanana nataon’izy ireo omaly tetsy amin’ny Cotisse Ambodivona.

 

 Fampiofanana niompana tamin’ny fampahafantarana ireo fiovana nisy ao amin’ny lalàna ankapoben’ny hetra 2019. Tsiahivina fa   fikambanana mpandraharaha sy mpampiasa vola eto Madagasikara efa nijoro nandritra ny 2 taona ny SPAM. Efa mahatratra 100 mahery ny isan’ny mpikambana ary mivondrona ao ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany avy amin’ireo seha-pamokarana eto Madagasikara. “Tanjona ny ahafahan’ireo mpikambana hanatsara ny traikefa ananany sy hiarovana ny tombontsoan’izy ireo, indrindra manoloana ireo sedra sy trindry hazo lena mianjady amin’ny mpandraharaha”, hoy ny filohan’ny SPAM Nirihaja Ratsimbaharimanantsoa.  Taomin’izy ireo ny mpandraharaha sy ireo vao mieritreritra hanao fandraharahana amin’ny sehatra rehetra hiditra ao amin’ny SPAM hampiroboroboana ny sehatra fandraharahana. Nilaza izy ireo fa mijaly ny mpandraharaha Malagasy manao fandraharahana eto amin’ny taniny ka tsy maintsy mivondrona. Maro ny olana sedraina tahaka ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny zanabolan’ny banky sy ny hetra aloa ary ny tsy fahampian’ny fanofanana. Hiezaka izy ireo ifampiresaka sy hanolotra soso-kevitra sy volavolan-dalàna amin’ny fanjakana hanatsarana ny lafiny fandraharahana. Ankoatr’izay dia maro ny zavatra tsy mazava apetraky ny fanjakana izay mamono mpandraharaha Malagasy ary tsy ahafahana mifaninana mihitsy ka tsara hijerena vahaolana miaraka. Eo ihany koa ny fampiantsoana olona maro manana traikefa sy fahaizana hanatanteraka fampiofanana izay tena sakana ho amin’ny fandraharahana.

Tsirinasolo

 

  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT