Toekarena

Seha-pihariana lavanila Miteraka ahiahy sy adihevitra ilay CNV


  • Talata 28 Jona 2022

Amin’izao ny seha-pihariana lavanila dia eo ambany fitantanan’ny CNV na “Conseil National de la vanille”, nefa ny mpitantana dia olona tia tena sy tsy itokian’ireo mpisehatra matihanina amin’ny lavanila,

hoy ny loharanom-baovao iray. Na ny fananganana na ny fandrafetana ny mambran’ny CNV dia samy natao an-kahamehana sy natao kopisoroka mba ho tombontsoan’olom-bitsy sy akamakama. Tsy misy fanarahan-dalana ny fananganana sy fandrafetana ny mambra. Nanendry tena sy notendrena ny mambra rehetra ao. Ny lalana manankery anefa milaza mazava fa olona voafidin’ny mpisehatra araky ny sokajy misy azy no misolo tena azy ao. Tsy misy henatra na tahotra fa manaotao foana sy tsy am-piheverana ireo mpitarika ny CNV. Misy amin’izy ireo no mpanondrana nefa mpanangom-bokatra no toerana misy azy ao. Misy misolo ny mpanondrana nefa tsy nisy olona nifidy azy fa nanendry tena ny lehilahy. Nanao be midina tany amin’ny faritra Sava ny mambran’ny governemanta ny 20 jona teo nampiseho ny mambra tsy eken’ny mpisehatra satria tsy olona azo itokiana. Vitsy an’isa ny mpisehatra nanatrika ka ny mpiasam- panjakana no maro nameno ny efitrano. Ireo ao anatin’ny CNV amin’izao dia ambany fibaikon’ny olona tokana. Araka izany dia ratsy endrika ny firenena malagasy amin’ny fisian’ireo olona anaty CNV ireo. Dia izay tsy fanarahan- dalana izay ve no aseho amin’ny mpividy lavanila any ivelany, hoy hatrany ity nandefa fitarainana ity naneho ny fanahiany mikasika izay fananganana ny mpikamban’ny CNV izay ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT