Toekarena

Seha-pihariana lavanila Homena fahazoan-dàlana ny mpandraharaha hafa


  • Talata 28 Martsa 2023

Novorian’ny Filankevitra Nasionalin’ny Lavanila (CNV) tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly alatsinainy 27 martsa 2023 ireo mpanondrana lavanila nahazo fankatoavana manoloana olana sy ny zava-misy.

Ao anatin’ny dinika no ijerena ny vahaolana. Misy ny mpandraharaha hafa homena agrément. Tsy maintsy jerena anefa hoe manana lavanila ve izy ireo, efa hividy lavanila eo amin’ny tsena anatiny ary hanondrana any ivelany”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy naneho ny fandrosoan’ny dingana handaminana ny raharahan-davanila. Tsiahivina fa nomena 15 andro ireo mpanondrana lavanila nahazo fankatoavana ireo hividy ny lavanila eto an-toerana, araka ny dinika niarahana tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha ny 9 febroary 2023. Nambara fa raha tsy mahatanteraka izany izy ireo dia hosokafana amin’ireo mpandraharaha hafa maniry hanondrana lavanila efa nanao fangatahana “agrément” ny fanondranana mankany ivelany. Tamin’ireo mpandraharaha 88 nahazo alalana ireo dia ny 43 no nividy fa ny 45 kosa tsy nanatanteraka izay nifanekena (engagements). Tsy nihambahamba ny Ministry ny Varotra Edgard Razafindravahy omaly, teo am-pivoahana ny Carlton, nilaza fa malalaka ny varotra eto Madagasikara, tsy maintsy tsinjovina hatrany ny tantsaha mpamokatra, tsy maintsy arovana amin’ny sehatr'asam-pamokarana rehetra ataony ireny tantsaha ireny. Tsy maintsy mpandraharaha mahafeno fepetra anefa no homena ny fahazoan-dàlana. Anisan’ny fepetra hafa nivoaka teny Iavoloha ny 9 Febroary 2023 koa moa ny fitazonana ny vidin'ny lavanila aondrana ho 250 dolara/kilao. Resy lahatra tamin’izay ihany koa ny avy amin’ny Vovonana SOS Vanille nandritra ny fihaonana tamin’izy ireo niarahan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny mpikambana roa ao anatin’ny Governemanta tany Sambava tamin’ny herinandro lasa, hoy ny fanazavana. Mandroso ihany koa ny fikarakarana "road show" iarahan'ny Fanjakana sy ny mpandraharaha hanatonana ireo mpividy any ivelany amin’izao fotoana izao. Maro ny mbola mametraka ny kalitaon'ny lavanila malagasy ho ambony, misy ireo mbola manana tahiry betsaka, eo koa ny krizy iraisam-pirenena, hoy ny Fanjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT