Lohalaharana maneran-tany amin’ny lavanila Madagasikara: voalohany amin’ny fambolena sy amin’ny fanondranana lavanila eran-tany izy nandritry ny taona maro.
Mitana ny laharana voalohany amin’ny vokatra fanondrana izay mampidi-bola vahiny ho an’iMadagasikara ny lavanila (710 Tapitrisa dolara tamin’ny 2017; 855 Tapitrisa Dôlara tamin’ny 2018). Ny taona 2008 kahatramin’ny 2017, miisa efatra ireo firenenana nanondranan’i Madagasikara ny 85,8% ny lavanila novokariny dia Frantsa (34,2%), Etazonia (28,8%), Alimaina (13,4%) ary Kanada (9,4%) raha ny antontan-isa avy amin`ny Banky iraisam-pirenena. Mikajy hatrany ny hahatsara ny kalitaon’ny lavanila izay hita fa tsy mitsahatra mitombo ny hatsarany ny Fitondram-panjakana. Raha 0,7 teo aloha dia 1,8 ny tahan’ny lavanila amin’izao. Hatomboka amin’ity taona 2020 ity ny fananganana ny ivo-toerana lehibe any Antalaha “World of vanilla” hihaonan’ireo mpandraharaha sy hampivoarana ny fandraharahana amin’ny sehatry ny lavanila.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.