Toekarena

Seha-pihariana langouste Nihena hatrany ny vokatra


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Hamboarina sy haverina amin’ny laoniny ny ivontoeram-pamokarana oratsimba (eucloserie) hampiharana avy hatrany ny fiompiana ireo zanaka oratsimba mba ahafahan’izy ireo mitombo araka ny tokony ho izy alohan’ny hamerenana azy ireo indray any an-dranomasina.

 

 

 Natao izao tetikasa izao mba ahafahana mamaly ny tinady eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena ary ihany koa hoentina hanatsarana ny fari-piainan’ireo mpikirakira ity seha-pihariana ity ;izay manomboka any amin’ny mpanjono ka hatrany amin’ireo mpanondrana azy. Noho ny fahitana ny fihenan’ny vokatra langouste any amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny no tena antony nandraisan’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fambolena fiompiana ary jono (MAEP) izany fanapahan-kevitra izany.  Soloin’ny Unite de Recherche Langoustière (URL) tena ny minisitera hanome vahaolana hoentina indray hampitombo sy hanatsarana ny seha-pihariana langouste. Tonga nijery ifotony ity tetikasa ity sy ny fomba hanatanterahana azy tany Tolagnaro mihitsy ny tale jeneraly misahana ny jono eto anivon’ny minisitera.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT