Toekarena

Seha-pihariana Jono 1,5 tapitrisa ny Malagasy velominy


  • Zoma 12 Jona 2020

Mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono ny toekarena Malagasy. Ny sehatra jono izay tsy nitsaha-nihemotra ny taona 2019 hatramin’izao fotoana izao.

 

 

 Ankoatry ny olana maro tsy voavaha izay nampihena 50% be izao ny vola nampidirin’ny sehatra jono tamin’ny taona 2019 raha oharina ny taona 2018, dia nanampy trotraka ihany koa ny krizy ara-pahasalamana ankehitriny Voakasika amin’izany ary mitotongana tanteraka na ny hetra niditra na ny vola vahiny avy any ivelany nampidirin’ny seha-pihariana jono. Nankalazaina afak’omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ranomasina ary nanentana ny mba hiarovana ny haren-dranomasina ny Banky Iraisam-pirenena. 5.600 Km no refin'ny morontsirak’ i Madagasikara ary mamelona Malagasy miisa 1,5 tapitrisa ny seha-pihariana jono. Amin’izany dia manome 7% amin’ny harinkarena faobe sy 6,6% amin’ny fanondranana izy tamin’ny taona 2018. Ankoatra ny olana ara-pahasalamana misy izay mamotika ny sehatra jono ankehitriny dia tsy mahatafarina ihany koa ny fanao ratsy ataon’ny mpanjono tahaka ny fanjonoana be loatra izay mandany mihitsy ny biby an-dranomasina (surpêche).

Tsirinasolo

 

Hetra niditra (Ariary)

Taona 2018 :12 931 899 082

Taona 2019 :  6 875 956 218

Vola vahiny niditra (Ariary)

Taona 2018 : 8 575 564 431,34

Taona 2019 : 4 372 416 230 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT