Toekarena

Seha-pihariana fahatelo Afaka mampandroso tsara ny toekarena


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Miankin-doha be amin’ny fambolena i Madagasikara kanefa 25,6% no mba ho entin’io sehatra io ao amin’ny harinkarena faobe (PIB).

 

 

74,5 %-n’ny Malagasy no misehatra ao raha toa ka 15,7% ny ao amin’ny seha-pihariana fahatelo. Tena ilaina io sehatra atao anjorom-bala io eto Madagasikara satria ny antsasany mahery amin’ny harinkarena faobe dia no hoentiny. 40 tapitrisa dolara no tombony azo taminy tamin’ny taona 2016. Tsy mbia tafavoaka indray koa ny sehatra indostria eto Madagasikara antony tokony hampiroboroboana io seha-pihariana fahatelo io. Manome 15,7% monja amin’ny PIB ny Indostria ary 9,11% amin’ny mponina no mba misehatra aminy. Miandry olona feno traikefa ny firenena amin’ny fikitihana ireny sehatra matoritory kanefa miteraka tombony ara-toekarena ireny. Ankoatra ny fanomezana vahana ny tantsaha sy ny Indostria dia ao anatin’ny vinan’ny kandida Marc Ravalomanana ihany koa ny fijerena sy ny fampandrosoana ny seha-pihariana fahatelo.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT