Toekarena

Seha-pihariana “cacao” An-dalam-panatsarana


  • Alarobia 08 Martsa 2017

Notanterahina teny amin’ny Tana Hôtel Antaninarenina ny filankevi-pirenena-pirenena momba ny «Cacao » na CNC andiany faharoa, nokarakarain’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, ary niaraha-niasa tamin’ny tetikasa PIC.

 

 Mifototra betsaka amin’ny fampiakarana ny lentan’ny famokarana sy ny fifaninanana momba ity vokatra mampiavaka an’i Madagasikara ity izany.  Maro ny dingana narahina momba ny fanomezan-danja ny sehatry ny “cacao” eto amin’ny firenena, ka zava-dehibe ny nananganana ny CNC. Marihina fa teo avokoa ny solontenan’ny minisiteran’ny varotra, ny fambolena, ny indostria, niampy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, mpamokatra, mpanodina, ary ny mpanondrana nandritra ity atrikasa ity. Maro ireo zavatra noresahina mba hampiroboroboana ny seha-pihariana “cacao”, ka  nisongadina ny fananganana ny filankevitra manokana na ny CNC. Tanjona goavana tamin’ny fihaonana ny fikaonan-doha sy ny fanapahan-kevitra momba ny fampihodinana io filankevitra io. Teo ihany koa ny fananganana sata sy ny fitsipika anatin’ny CNC. Mbola mipetraka ho “cacao” tsara kalitao indrindra maneran-tany ny antsika amin’izao fotoana izao, ary efa nahazo ny amboara  «cacao fine» avy amin’ny rafitra iraisam-pirenena momba ny “cacao” na ny ICCO. Mbola olana anefa ny fahanteran’ny fomba famokarana satria ny 95% dia tantsaha tsotra no misahana azy amin’ny alalan’ny fambolena amina velarana 1ha ka hatramin’ny 3 ha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT