Toekarena

Seha-pihariana an-dranomasina Hisy paikady ho fampiroboroboana ny toekarena manga


  • Zoma 13 Novambra 2020

Ny ministeran` ny tontolo iainana dia nitarika fifampiresahana eo amin’ireo mpisehatra voakasika mivantana na an-kolaka amin’ny seha-pihariana an-dranomasina eto Madagasikara (Tontolo iainana, jono, fizahan-tany, harena an-kibon’ny tany, fitaterana an-dranomasina, fanajariana ny tany).

 

 Ny tanjona dia ny hijerena ireo sehatr’asa mifaninotra izay misy fiantraikany amin’ireo rohipiaina an-dranomasina sy amorontsiraka, fa ihany koa hamoaka ny paikady mba hitandrovana ireo rohipiaina ireo amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga. Ny fitsipika mifehy ny fitrandrahana dia ahitana tombotsoa mifanipaka amin’ireo mpiaro ny tontolo iainana, ny orinasa ary ny mpitondra fanjakana. Misy sehatr’asa mifampiditra anefa ka mahatonga sakana amin’ny fanomezan-danja ireo harena an-dranomasina ireo sy ho an’ny fandrosoana eny ifotony.

 

Madagasikara dia manana harena an-dranomasina goavana izay ahafahan’ireo mponina amorontsiraka mivelona sy manao asa fihariana isan-karazany mifandray amin’izany. Mirefy 1 140 000 km2 ny faritra ara-toekarena manokana an-dranomasina (ZEE) ananan’i Madagasikara ary morontsiraka mitontaly 5 600 km no ahitana ireo harena an-dranomasina maro be ireo.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT