Toekarena

Savony avy any ivelany Hiakatra 34% ny hetra alaina aminy


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Hiakatra 34% ny hetra alaina amin’ny fampidirana savony eto Madagasikara manomboka ny 01 septambra izao.

 

Natao io mba hampiroboroboana ny indostria Malagasy sy hanjifan’ny Malagasy bebe kokoa ny vokatra eto an-toerana, raha ny fanazavana.  Mety tafiditra ao anatin’ny tsenan’ny fifaninanana ny fisian’ny savony avy any ivelany, saingy tsapa sy tsikaritra ihany ny gaboraraka, indrindra ny lafiny hetra, kanefa ny orinasa Malagasy dia henjana ny fakana hetra, ary saika ny rehetra no tratran’izany fa tsy ny mpamokatra savony ihany. Avy atsy amin’ny Nosy Maorisy amin’ny ankapobeny ny fiavian’ireo savony izay mitobaka malalaka eto amintsika. Amin’ny lafiny iray ihany koa anefa dia mety hampiakatra ny vidin’ny savony io fanapahan-kevitra io ka mila dinihina ihany ny fiantraikany ara-tsosialy. Ny savony ihany hatreto no nandraisana io fepetra io, izay tsara raha hitarina amin’ny zavatra hafa toy ireo entana ratsy kalitao avy any ivelany, izay mila arahi-maso akaiky.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT