Toekarena

Sandan’ny vola Ariary Nitotongana -6% mitaha amin’ny dolara


  • Alakamisy 20 Oktobra 2022

Nitotongana -6,0% ankehitriny ny sandan’ny Ariary mitaha amin’ny dolara, raha toa -1,5% izany tamin’ny 2021,

 nisy fiakarany 11,7% mitaha amin’ny euro raha toa ka nitotongana -1,0% izany ny taona 2021, araka ny tatitry ny Banky Foiben’i Madagasikara na ny BFM. Tao anatin’ny 9 volana, niakatra 9,4 % ny Ar mitaha amin’ny euro satria nitentina 4 470,1 tamin’ny faran’ny desambra 2021, kanefa 4 048,7 Ar ny faran’ny septembra 2022. Nitotongana -5,6 % mitaha amin’ny dolara satria novidiana 3 956,7 Ar io ny faran’ny desambra 2021, raha toa ka 4 179,6Ar kosa taty amin’ny faran’ny septembra 2022. Omaly nisanda 4 220,94Ar ny dolara iray, raha toa ka 4 133,25Ar kosa ny euro. Isan’ny voalaza fa mampiakatra ny dolara ny politika ara-bola tahiry federaly Amerikanina (FED), ary eo ihany koa ny toe-draharaha misy maneran-tany izay mbola tsy tena hita be ihany ny ho fizotrany. Mitotongana noho ny ady any Ukraine kosa ny « Euro » kanefa mitarazokka ny fanapahan-kevitry ny Banky foibe Eoropeanina (BCE). Hatreto, mibahan-toerana bebe kokoa ny dolara amin’ny fividianantsika entana avy any ivelany, raha tsy hilaza afatsy ny solika, izay midika fa tsy dia misy tombony fiakaran’ny sandan’ny dolara, raha raisina amin’io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT