Toekarena

Sandan’ny Ariary Natotongan’ny HVM


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Tsy mitsaha-mitotongana ny Ariary hatramin'ny niakaran’i Hery Rajaonarimampianina teo amin’ny fitondrana tamin’ny 25 janoary 2014.

Miteny ho azy ny tarehimarika : 3 812,29 Ariary ny 1 Euro ary 3 236,91 Ariary ny 1 dolara amin’izao, raha  3 087,45 Ariary sy 2 279,93 Ariary izany ny andro voalohany nanaovan’i Hery Rajaonarimampianina fianianana teo Mahamasina ka nandraisany fahefana feno. 3 171,74 Ariary ny Euro ary 2 582,57 Ariary ny dolara afaka 12 volana nitondrana izy. Efa-taona aty aoriana 3 812,29 Ariary ny 1 Euro ary 3 236,91 Ariary ny 1 dolara. Etsy an-kilany, mitombo ny fanambarana vokatry ny fitrandrahana volamena. Mananika ny telo taonina ho an’ity taona 2017. Ireharehan’ity fitondrana HVM ity izany vokatra izany. Efa trandrahana ny solika ao Tsimiroro na mbola menaka mavesatra aza no mivoaka ao, saingy migoka izany ve isika ? Niaka-bidy ny lavanila Malagasy. Tafakatra fito tapitrisa Ariary ny kilao. Tsara ny tsena ho an’ny jirofo na tany Analanjirofo ka hatrany Vatovavy Fitovinany. Gaga anefa ny Malagasy fa tsy mitsahatra mitotongana ny sandan’ny Ariary. Tsy izao ihany io, fa hatramin’ny nahatongavan’i Hery Rajaonarimampianina teo amin’ny fitondrana. Namoaka vola vaovao mihitsy tamin’ity 2017 ity, niditra an-tsehatra tamin’ny roa alina Ariary, angamba mba hanakonana ny fahavoazana. Fa toa vao mainka mihazakazaka ny fitotongan’ny Ariary. Fa inona no mitranga ? Ity fitondrana ity anefa mirehareha amin’ny fahaiza-mitantana, ny fanjakana tsara tantana, ny mangarahara.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT