Toekarena

Sandan’ny Ariary Hitotongana mandritra ity taona ity


  • Talata 12 Janoary 2021

Mila miomana ireo mpandraharaha ara-toekarena fa mikasa ny hampihena

 

 

 

hatrany ny vola ariary amin'ny vola vahiny ny Governemanta. Raha nanomboka ny taona 2021, dia 3 816 Ariary ny iray dolara raha 3 732 Ariary iray volana lasa izay. Saingy mety hiharatsy ny toe-draharaha satria ny dolara amerikana amin`izao dia efa manakaiky ny 4 000 ariary amin'ny taona 2021. Araka ny voarakitra ao anatin` ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2021 dia ho 3 936.7 ariary ny elanelan'ny dolara sy ariary. Araka izany, hihenam-bidy -3,7% raha oharina tamin'ny taon-dasa izany. "Miaraka amin'ny fifandanjana ara-barotra miiba sy ny fiakaran'ny vidim-piainana avo kokoa raha oharina amin' ireo firenena mpiara-miombon`antoka, Madagasikara dia miaina fidinan' ny volany isan-taona raha oharina amin'ny sandam-bola toy ny dolara sy ny euro. Ankoatr'izay, ny dolara dia mijanona ho vola ampiasaina amin'ny fifanakalozana amin'ny tsena iraisam-pirenena” hoy ny fanamarihana anatin` ny LFI 2021. Tsiahivina kosa fa ny Ariary dia niaina taha ambony tamin` ny faran`ny taona, izay ho3 700 ariary ny dolara iray. Izany dia noho ny fiakaran'ny tahiry fifanakalozam-bola vahiny nanomboka ny volana septambra teo. Eo ihany koa ireo fanampiana avy any ivelany isan-karazany toy ny Facilité élargie de crédit (FEC), ny famatsiam-bola avy amin` ny Tahirim-bola iraisam-pirenena, ary koa ny Banky Iraisam-pirenena, raha ny fanamarihana hatrany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT