Toekarena

Sandam-bola Tsy mitsaha-mitotongana ny vola Ariary


  • Talata 30 Janoary 2018

Hatramin’ny fiandohan’ity taona 2018 ity, izany hoe tato anatin’ny telo herinandro dia nitotongana 120 ny sandan’ny vola Malagasy Ariary mihoatra amin’ny EURO.

 

 Raha 3 873,76 Ariary ny EURO iray tamin’ny fiandohan’ny taona dia efa nanafosafo ny 4.000 Ariary, (3 994,71 Ariary) omaly teny amin’ny tsena fifanakalozana. Raha atao ny salanisa, dia mitotongana 40 Ariary isan-kerinandro ny vola Malagasy. Raha ny voalazan’ny manampahaizana ara-toekarena dia fiantraikan’ny fanafana entana be loatra niatrehana ny tsena faran’ny taona lasa iny no anisan’ny niteraka an’io fitotongan’ny Ariary io, noho ny fivoahan’ny vola devizy be loatra nividianana entana, nefa isika zara raha manondrana nankany ivelany.

 Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT