Toekarena

Sandam-bola Ariary Tsy nitsaha-nitotongana ny taona 2018


  • Alakamisy 27 Desambra 2018

Hatramin’ny fiandohan’ity taona 2018 ity dia nitotongana hatrany ny sandan’ny vola Malagasy Ariary mihoatra amin’ny Euro sy ny dolara. Raha 3 873,76 Ariary ny Euro iray tamin’ny fiandohan’ny taona dia efa nanafosafo ny 4.000 Ariary hatrany taorian’ny enim-bolana.

 

 

 Tsy nahitana fidinana firy intsony nanomboka teo hatramin’izao fotoana izao. Mbola Ahiana hatrany aza ny fidinan’ny sandam-bola Ariary ao anatin’izao fety izao. Raha atao ny salanisa, dia mitotongana 40 Ariary isan-kerinandro ny vola Malagasy hatramin’izay no ho mankaty. Maro hatrany ny fanazavana azo tamin’ireo mpahay toekarena nandritra izay herintaona izay. Ny ankamaroan’ireo manampahaizana ara-toekarena ireo dia nilaza fa ny fiantraikan’ny fanafarana entana be loatra no tena antony nampitotongana azy. Amin’izao ankatoky ny faran’ny taona izao aza moa dia tena niroborobo fatratra ny fanafarana entana avy any ivelany ary tena miteraka an’io fitotongan’ny Ariary io. Rehefa manafatra be loatra dia mivoaka be ny vola vahiny na ny devizy kanefa ny fanondranana atao tsy miova ary mainka aza latsaka mihitsy. Ezaka atao ny fampiroboroboana hatrany ny sehatra famokarana sy ny fanondranana ahafahana mahazo ny tsena. Raha ny zava-misy ankehitriny, mbola sarotra ny ahazoana ny fahamarinan-toeran’ny vola Ariary.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT