Toekarena

Sampanan’ Ambohitrimanjaka Mitanin’andro sisa ireo mpivarotra Art Malagasy


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Mitanin’andro sisa no hataon’ireo mpivarotra asa tanana eny amin’ny digy hiazo an’Ambohitrimanjaka.

 

 

 Tena maina mantsy ny tsena, raha araka ny fanazavan’ny Renim-pianakaviana mpivarotra iray noho ny fikatonan’ny sisintany. Ireo mpiray Tanindrazana ihany koa anefa vitsiana no tena manjifa ny asa tanana Malagasy hany ka tena misedra olana tanteraka izy ireo. Na izany aza hoy ity Renim-pianakaviana ity dia miezaka mamolaka ny mpiray Tanindrazana rehetra izahay mba hanjifa ny asa tanana vita eto amintsika. Mbola lavitra anefa ny lalana hoy izy noho ny tsy fitontongan’ny sandam-bolantsika sy ny tsy fahampian’ny ho enti-manana. Nomarihin’ireo mpivarotra moa fa tsy maintsy misokatra fotsiny izy ireo sisa hampitana hafatra amin’ireo mpangalatra fa misy mpiambina ny tsena mba tsy ho alaim-panahy ho avy hamaky ny trano ireto farany ka handroba ny kely hanana. Dimy eo ho eo sisa izy ireo raha misy no manokatra ny varavarany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT