Sambo goavana mitondra mpandeha 2200

Nitsidika an’Antsiranana sy Nosy Be i Aida Blu


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Manao tohivakana ny fahatongavan’ireo sambo goavana mitondra mpizahatany mitety tany.

Tonga eto Madagasikara indray ny paquebot sambo goavana Aida Blu, izay mitondra mpizahatany hatrany amin’ny 2200. Io no sambo nitondra mpizahantany maro indrindra hatreto tamin'ity. Telo taona lasa, talohan’ny vanim-potoanan’ny coronavirus no nandalovany farany teto. Nandalo tao Antsiranana, ary nigadona tao Nosy Be ny faran’ny herinandro lasa teo, ka io no sambo goavana fahatelo nandalo tao an-toerana tao anatin’ny iray volana. Ny fiandohan’ity volana ity, dia efa nisy fandalovan’ny SH Diana nitondra olona 112 izay nandalo tao Mahajanga, ary nitety hatrany Toliara. Vao tsy ela ihany koa ny sambo goavana Vasco Da Gama nitondra mpandeha 677, ka isan’ny nolalovany tao Toliara. Mbola misy ireo andrasana, ary io tonga io ihany koa ny Aida Blu, ary ny 07 desambra dia efa hisy sambo goavana iray hafa ho tonga,. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fandraisana ireo sambo goavana i Madagasikara amin’izao, ary tsy Nosy Be ihany fa mivelatra amin’ireo toerana goavana maro. Manome aina ny toekarena anatiny amin’ireo toerana lalovany ny fandalovan’ireo sambo lehibe, izay tsy ireo matihanina amin’ny sehatra ara-pizahantany ihany no mahazo tombony, fa ireo sehatra mifameno aminy. Mampiakatra ny fanjifana anatiny toy ny lafiny jono, ny sehatra ara-pambolena, ny mpanao asa tànana, ny fitaterana amin’ny alalan’ny fampanofana fiara,… Fotoana hampiakarana ny lanjan’ny fizahantany sy ny fampahafantarana an’i Madagasikara ihany koa izao, hamarotana ireo toerana samihafa,... Madagasikara moa ankehitriny no Filohan’ny Fikambanana Nosy Vanille, izay sehatra hampiroboroboana ny fizahantany, hisintonana ny fahatongavan’ireo vahiny hitsidika ny firenena mivondrona ao anatiny,… Tsara ny manamarika, fa isan’ny toerana manan-karena toerana ara-pizahantany i Madagasikara, manana ireo zava-boahary maro izay tsy hita raha tsy eto tahaka ny gidro, ankoatra ireo sehatra samihafa toy ny lafiny kolontsaina, izay tena mahasintona. Na izany na tsy izany, mbola manodidina ny 10 ka hatramin’ny 15% amin’ny isan’ny mpizahatany tonga atsy Maorisy isan-taona no mitsidika ny Nosy Maorisy, izay mahatratra 3 tapitrisa isan-taona. Raha toa ka mampiditra 1000euros isan’olona ho an’ilay firenena izany, dia efa mahatratra 3 miliara euros, raha toa ka ny ampahafolon’io izany ho antsika raha 3 hetsy isan-taona eo ny mpizahatany.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT