Toekarena

Sambaina Manjakandriana Hisy orinasa maro hatsangana, hanampiana ny tanora


  • Talata 12 Desambra 2017

Orinasa maro sy lehibe no hatsangana eo anivon’ny kaominina ambanivohitra Sambaina, distrikan’i Manjakandriana ato ho ato entina hanomezana asa ny tanora, hoy Randrianasolo Iandry Balsama, lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

 

 Ny mba hahafahana mampivoatra ny fiainan’ireo tanora mihitsy no tanjona, hoy izy fa tsy hionona fotsiny amin’ny fiompiana sy ny fambolena toy ny mahazatra hatramin’izay. Ankoatra izay dia nezahina nampiroboroboana eo anivon’ity kaominina ity ihany koa ny lalao baolina kitra  hisorohana ireo tanora tsy hanaotao foana. Nifarana tamin’ny alahady teo, ohatra, ilay lalao Fanarenana, Firaisankina ary Super Coupe  notanterahina nandritra ny enim-bolana teny anivon’ireo fokontany miisa 15 izay nizarana omby miisa roa, ondry roa ary kalisy miisa 13. Tanora an-jatony no nahazo tombontsoa tamin’izany, hetsika iray izay tsiahivina fa tena nampandroso ny distrikan’i Manjakandriana tokoa. Tsiahivina fa tao amin’ny kianja FIFA  sintetika ao Carion no nanatanterahana ny lalao izay voatery naato kely indray aloha mba hahafahan’ny bozaka maniry.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT