Toekarena

Salon RSE Hanampy ireo orinasa amin’ny fandrosoana


  • Alakamisy 06 Jolay 2017

Hotanterahina eto amintsika ny 12 sy ny 13 jolay ho avy izao indray ny andiany faharoa amin’ilay Salon RSE na andraikitra ara-piarahamonin’ny orinasa sy ny fanapahan-kevitra momba ny fampandrosoana maharitra, karakarain’ny UR-CSR Consulting.

 

 Etsy amin’ny Carlton Anosy no hanatontosana ny hetsika ka manodidina ny 4.000 mahery ireo mpandray anjara andrasana raha 3.000 tamin’ny taon-dasa. Nambaran-dRamatoa Rabefitiavana Urchila,  talen’ny kabinetra eo anivon’ny UR-CSR fa  natao hanampiana ny orinasa isan-tsokajiny mba handroso ny hetsika hanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra. Tafiditra ao ny fijerena manokana ireo olana mianjady amin’ny orinasa, ny sakana tsy hahafahan’izy ireny manatanteraka ny andraikitra sahaniny, ny fitsinjovana sahady ireo tanora mpandraharaha amin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra goavam-be entina  hanohanana ara-kevitra azy ireny. Anisan’ny mpanohana ofisialy ny hetsika ny UNICEF sy ny minisiteran’ny indostria. Afaka mitsidika maimaimpoana ny hetsika avokoa ny rehetra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT