Salon international des acteurs économiques

Orinasa ODOF dimy mampiranty ny vokany eny Andohatapenaka


  • Alakamisy 06 Jona 2024

Mampahafantatra ny vokatra ODOF eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka,

mandritra ny SIAE na ny Salon International des Acteurs Economiques ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra. Mandray anjara amin’ny hetsika ka mampiranty ny vokany, eo amin’ny trano evan’ny ministera, ny orinasa Ampalia manamboatra cidre avy amin’ny paoma any Antsirabe I, ny Huilerie d’Anjozorobe mamokatra menaka avy amin’ny voanjo sy soja, ny ODOF manodina tantely ILOO Project any Manjakandriana, ny Soa sy fampivoarana ho an’ny Malagasy izay manodina ronono ho fromazy any Moramanga ary ny Bricka Chips manao chips amin’ny akondro any Brickaville. Irariana ny hifampizaran’izy ireo mandritra izao SIAE izao ny lalan-tsaina nentina amin’ny famokarana anatiny, amin’ny alalan’ny fananganana ozinina mamokatra eny ifotony ao anatin’ny Tetik’asa ODOF», hoy ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra nandritra ny lahanteny fanokafana nataony omaly Alarobia 05 Jona. Haharitra efatra andro ny SIAE andiany faha-3.
Pati
Legende : Nandritra ny fitsidihan’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Ministera ireo trano eva !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT