Toekarena

Salon International de l’Habitat Raikitra ny andiany faha-19


  • Alarobia 11 Oktobra 2017

Nambaran’ny « agence Premiere Ligne » tarihan’Andriamatoa Dominichi Ramiaramanana teny amin’ny Louvre Antaninarenina omaly talata 10 oktobra fa hotanterahina eny amin’ny Forello Expo eny Tanjombato ny 19 ka hatramin’ny 22 oktobra 2017 ny « Salon International de l’Habitat » andiany faha-19.

 Fantatra fa orinasa miisa 130 no hampiranty ny zava-bita manara-penitra (manaraka ny « règle de l’art ») vokarin’izy ireo tsirairay avy ao anatin’ny tranoheva miisa 550. Nambarany fa efa tany amin’ny enim-bolana nialoha ny hetsika dia efa vonona  tanteraka ireo mpandray anjara rehetra ary efa tapitra voafandrika  avokoa ny toerana rehetra eny amin’ny Forello Expo. Nomarihan’i Dominichi omaly fa hanana ny toerana sahaza azy manokana ny famoronana Malagasy amin’ity hetsika ity na dia eo aza ny fahatongavan’ireo vokatra an-jatony avy any ivelany. Efa vonona ihany koa ireo mpanohana ofisialy sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. Ho hita ao amin’ity « Salon de l’Habitat » ity avokoa ireo singa rehetra mifamatotra amin’ny fanorenan-trano manontolo na ny fanaovana taotrano na ny fanaka isan-karazany na ny « équipements » na fampihaingoana atiny sy ivelany  ary ny famatsiam-bola hoenti-manana ihany koa.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT