Toekarena

Salon de l’industrie de Madagascar Manome lanja ny vita Malagasy


  • Zoma 22 Jona 2018

Tanterahina nanomboka omaly eny amin’ny Forello Expo Tanjombato, haharitra efatra andro ilay Salon de l’Industrie de Madagascar, karakarain’ny sendikan’ny Indositria eto Madagasikara.

Tranoheva am-polony maro no mandray anjara amin'izany izay  saika manandratra sy manome lanja ny vita Malagasy avokoa hahafahana mampitombo sy manatsara ny toe-karem-pirenentsika. Tanjon’ny mpikarakara raha araka ny fanadihadiana natao ny mba hahafahan’izy ireo mahita mpiara-miombon’antoka avy eto an-toerana sy any ivelany hanatsarany ny fidiram-bolany. Toraka izany koa ireo mpandraharaha avy any ivelany vonona ny hifanakalo traikefa hahafahana mandeha lavidavitra kokoa. Anisan’ny mandray anjara amin’ity Salon ity ny orinasa Star izay miara-mankalaza amin’ny sendika ny faha-60 taona nisian’ny marika THB raha efa 65 taona kosa izao no nijoroany. Ankoatra ny fivarotana ireo karazana kojakoja ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavanandro toy ny elo, ny kaskety, ny tee-shirt pôlô… dia misy fisotroana ranom-boankazo vokarin’izy ireo maimaimpoana ihany koa eo amin’ny tranohevany mandritra ny efatra andro. Tonga nanokatra  ity salon ity teny an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izay maniry hatrany ny hahaela velona ny indostria Malagasy, notronin’ny minisitry ny Indostria Guy Rivo Randrianarisoa.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT