Salon de l’habitat”

Mihoatran’ny 120 isa no handray anjara


  • Talata 17 Oktobra 2023

Ny 19 hatramin’ny 22 oktobra izao no ho tanterahana eny amin’ny Forello expo Tanjombato ny andiany faha 25

amin’ny hetsika “Salon international de l’habitat”, izay sady fankalazana ny tsingerintaona faha 25n’ny hetsika rahateo, hoy ny tomponandraikitra voalohany, Harilala Ramanantsoa. Mihoatran’ny 120 isa no handray anjara ary hanome fihenam-bidy goavana izy ireo mandritr’ity hetsika 4 andro ity. Hampiavaka ny fahitana toerana manokana ho an’ny fikarakarana ny eny an-tokontany na amin’ny lafiny fanaingoana io na fitaovana mety ho ilaina na amin’ny torohevitra maro isan-karazany. Rehefa resaka trano sy fanorenana trano na fampiasana vola ao anatin’izany tontolo izany dia ho hita ety an-toerana avokoa. Hetsika efa azo lazaina ho manana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny trano sy ny manodidina azy ity hetsika ity. Sehatra ahafahan’ireo matihanina amin’ny mpanjifa ny fisiany sy fahaiza-manaony io hetsika iraisampirenena io. Sarobidy ary tena mila traikefa amin’ny lafiny maro ny tontolon’ny trano tsinona, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT