Toekarena

Salon de l’habitat 2017 Omena toerana manokana ny asa tanana vita Malagasy


  • Zoma 17 Novambra 2017

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly eny amin’ny Forello Expo Tanjombato, haharitra efatra andro, ilay hetsika Salon de l’habitat karakarain’ny agence de communication la premiere ligne.

Tranoheva an-jatony no mandray anjara ao izay marihina fa saika ahitana ireo  kojakoja fanamboaran-trano  manaraka ny hiaka farany avokoa, manomboka amin’ny lokon-trano atiny sy ivelany ka hatramin’ny fanamboarana zaridaina. Ao koa ireo karazana kojakoja hanaingoana ny trano toy ny asa tanana Malagasy izay omena vahana manokana mandritra ity hetsika ity, tafiditra ao anatin’ilay hetsika andiany fahatelo antsoina hoe :  « Biennale des Arts de l’Océan Indien ». Nahatratra an-jatony sahady ny mpitsidika, omaly andro voalohany, an’arivony no  andrasana hatramin’ny alahady ho avy izao. Ho an’ireo mpanao asa tanana manokana toy ireo mpanao hosodoko dia olana sedrain’izy ireny ny tsy fankafizan’ny Malagasy ny asa hataony na dia ilana fotoana betsaka sy handaniam-bola tokoa aza. Maharitra iray volana no hanaovany ny sary hosodoko iray miankina  amin’ny aingam-panahy ao anatiny, antony mahalafo vidy azy ireny ihany koa. Fianakaviana marobe no mivelona amin’ity asa iray ity eto amintsika. Tonga nanokatra ny lanonana teny an-toerana ny minisitry ny fanajariana ny tany Ramanantsoa Ramarcel Benjamina

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT