Toekarena

SALON DE L’HABITAT 2017 Atao ny 16 hatramin’ny 19 novambra


  • Zoma 10 Novambra 2017

Taorian’ny asa fanadiovana natao teny amin’ny Expo Forello Tanjombato noho ny pesta dia fantatra fa hotanterahina ny 16 ka hatramin’ny 19 novambra ho avy izao ihany ny Salon de l’habitat andiany faha-19 karakarain’ny agence de communication la premiere ligne.

Hampiavaka ity hetsika ity, hoy Ramiaramanana Dominique, ny fisian’ireo  sary  hosodoko isan-karazany faran’izay tsara sy mampiavaka antsika eto Madagasikara entina hanasongadinana ireo mpanao asa tanana Malagasy.  Tafiditra ao anatin’ilay hetsika andiany fahatelo amin’ilay « Biennale des Arts de l’Océan Indien » izany, arahin’ny fampahafantarana ireo kojakoja fampiasa amin’ny fikarakarana ny tokantrano manomboka any amin’ny asa fanamboarana, ny loko, ka hatrany amin’ny zaridaina. Hahatratra 120 ireo mpandray anjara.  Hampahafantarina mandritra io hetsika io ihany koa ny fisian’ilay Symposium International momba ny tantaram-pirenena sy ireo fomba amam-panao Malagasy kasaina hotanterahina eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirena eny Ivato ny 28 ka hatramin’ny 30 novambra ho avy izao.  Marihina moa fa  anisan’ny nahazo medaly tamin’ny fampiasana simenitra amin’ny fanamboaran-trano isika eto Madagasikara.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT