Toekarena

Salon de l’entrepreunariat et de l’emploi Manolotra vahaolana ho an’ireo tanora tsy an’asa


  • Sabotsy 22 Jolay 2017

Mbola betsaka amin’ireo tanora Malagasy eto amintsika ankehitriny no tsy an’asa na koa manao asa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizany. Anisan’ny antom-pisian’ny “Salon de l’entrepreunariat et de l’emploi”

 andiany fahenina karakarain’ny Kentia Holding izany ho fanampiana azy ireny. Manodidina ny 100 mantsy  ireo tolotr’asa hita etsy amin’ny lapan’ny tanàna mandritra ny roa andro, hetsika nosokafana nanomboka omaly. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanampiana ireo orinasa  mitady  mpiara-miombon’antoka amin’ny alalan’ny rencontre B to B.  Manodidina ny 50 isa ireo trano eva mandray anjara amin’izany izay ahitana ireo karazana ivontoeram-piofanana sy sekoly ambony ihany koa  entina hanohanana ireo mpianatra  mitady toro-lalana aorian’ny  fahavitany ny fanadinana Bakalôrea.  Manodidina ny 30.000 isa ireo mpitsidika andrasana amin’izany, tsy misy ny vidim-pidirana. Raha araka ny fanazavan-dRatovoson Onisoa, tompon’andraikitra eo anivon’ny Kentia Holding moa dia efa betsaka tamin’ireo mpandraharaha sy tanora Malagasy eto amintsika no nahazo tombontsoa tamin’izao salon nokarakarain’izy ireo izao.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT