Toekarena

Sakana tsy hahazoan’i Madagasikara volabe “Ny fahalalana sy fahaiza-miresaka no tsy ampy”


  • Alatsinainy 04 Janoary 2021

Manerana ny Nosy ny fijaliana rano, ary izaho raha nandeha tamin’ny tany

 

 

Arabo toa an’I Lybie dia nahita fa mahavita “pipeline” 4000km ka raha halefa mandroso sy miverina any Atsimo aza vita izany, saingy ny tsy fahalalana sy tsy fahaiza-mitantana no misy, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Mila fahaizana ny mitondra firenena, ary mila mahalala izay filan’ny vahoaka marina atao laharampahamehana, mahay mijery azy ireo ary vao mijery anao ny masony dia fantatrao ny tadiaviny, fa tsy izay mamirapiratra sy mirentirenty no ataonao, hoy i Marc Ravalomanana. Nohitrikitrihiny fa tsy fahafirin’ny volan’ny mpanakarena indrindra eto an-tany ny vola ilain’i Madagasikara dia miadana na manana hanin-kohanina daholo ny Malagasy, fa ny fa fahaizana mifanerasera amin’izy ireo (Approche), ny fahaizana miresaka (négociation), ary indrindra ny fahaizana tena mampiseho amin’izy ireo marina ny zava-misy hoe ampio izahay no tsy ampy. Notsiahivin’I Marc Ravalomanana ihany koa teo anatrehan’ny fanambaran’ny Banky iraisam-pirenena fa afaka tao anatin’ny kilasy maha firenena mahantra azy I Bénin, kanefa nitovitovy tamintsika, ary tany aorinantsika aza. Tsaroako, hoy izy, fa iny filohan-dry zareo iny dia niaraka taminay tamin’ny 2008 niaraka tamin’ny Chancelière Allemande Angela Merkel tamin’izany hoe hanampy firenena miisa 5, ka isan’izany I Madagasikara, Zambie, Mozambika, Bénin. I Madagasikara no voalohany nanana ny maha izy azy indrindra tamin’izany noho isika Nosy, ary nasaina niaro ny ranomasina sy novatsiana fitaovana isika, hojerena izay hanampiany antsika iarahany amin’ny Vondrona Eoropeanina. Isika anefa tavela, fa ny olona lasa ihany! Vokisana fampanantenana sy zavatra mamirapieratra, tsy miantraika amin’ny fiainam-bahoaka.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT