Toekarena

Sainam-pirenena Mbola tena maina ny tsena


  • Talata 06 Jona 2017

Na dia efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny volana jona aza isika ankehitriny dia mbola vitsy ireo tokantrano Malagasy manangan-tsaina. Amin’ny ankapobeny dia noho ny fahantrana efa mandifotra ny isam-baravarana no antony.

Eo ihany koa ny tsy fahafalian’ny mponina amin’ny mpitondra. Mbola maina tanteraka ny sainan’ny tsena, araka ny fanadihadiana natao teny Analakely. Ny mpanontany no betsaka, tsena izay tsy mihoatra ny faha-25-n’ny volana jona ihany koa toy ny tsenan’ny harendrina sy ny tsipoapoaka. Fianakaviana an-jatony anefa no mivelona amin’ity asa ity, indrindra fa ireo manenjika entana ilain’ny olona mifanaraka amin’ny vanim-potoana misy. Misy amin’izy ireo no maka maro any am-potony ary mivarotra mba hakany tombony kely. Misy mihitsy ireo manodim-bola mividy lamba dia manjaitra. 15.000 Ar no hamarotan’izy ireo ny lehibe indrindra ary 8.000 Ar  ny antonony. 5.000 Ar kosa ny kely indrindra izay fantatra fa hany mba takatry ny volan’ny maro, raha tsy maintsy hividy izy ireny. Hetsika maro no hoentin’ny fitondram-panjakana  hanamarihana ny fetin’ny 26 jona amin’ity taona 2017 ity.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT