Toekarena

Sahirana i Madagasikara Tena ilaina famatsiam-bola


  • Zoma 17 Aprily 2020

7.036,80 miliara Ar ny fampidiram-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra sy ny fadintseranana izay nokajikajiana ho tratra voarakitra tao anatin’ny lalànan’ny tetibola.

 

 

Raha ny fampidiran-ketra fotsiny dia 4029 Miliara Ariary no vinavinaina hotratrarina tamin’ity taona ity. Tsy ho tratra mihitsy anefa izany noho ny fikatsoan’ny toekarena sy ny asa fihariana rehetra ka 5000 miliara Ariary sisa no hezahana hotratrarina amin’ny hetra sy fadin-tseranana. Nidina hatramin’ny 29% araka izany ary mety hitotongana hatrany raha hihoatra ny 3 volana ny tsy fandehanan’ny toekarena amin’ny tokony ho izy araka ny fanambarana. Etsy andaniny anefa dia tsy maintsy mamoaka vola hatrany ny fitondram-panjakana hanohizana ny fanampiana ara-tsosialy noho ny krizy ary tafiakatra hatrany amin’ny 724 miliara Ariary izany fanomezana izany. Noho izany rehetra izany dia tsy maintsy mitady sy miandry famatsiam-bola avy any ivelany hatrany i Madagasikara.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT