Toekarena

« Sahamaitso » Manome lanja ny vokatra Malagasy


  • Zoma 30 Martsa 2018

Sambany no hisy tsenabe entina hanasongadinana ny asa tanana Malagasy sy vokatry ny tany ny 01 sy ny 02 aprily ho avy izao eny Ombalahivato Ambohimalaza ao anatin’ilay hetsika “Sahamaitso” andiany voalohany.

Tanjon’ny mpikarakara ny hanomezan-danja ny vokatra Malagasy arahin’ny hampivoirana ireo kolontsaina mampiavaka antsika Malagasy, toy ny hiragasy sy ny fitafy Malagasy… Nambaran-dRazafitsifa Vonjy, mpilalao sarimihetsika fa hiaka-tsehatra ny tenany amin’io fotoana io miaraka amin’ireo mpihira mivoy ny maha malagasy toy ny tarika Randria Ernest…Ho hita mandritra io hetsika io ihany koa ilay sarimihetsika “Saha Lonaka” andiany voalohany, izay andraisany anjara, entina hamalifaliana ny rehetra. Mpandray anjara an-jatony no hampiranty ny vokany mandritra izany, ahitana ireo mpanao lamba landy manana ny maha izy azy eto amintsika.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT