Toekarena

Rotary club Anosy sy Lac Alaotra Manohy hatrany ny tetik’asa Fanilo


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Csb efatra ao anatin’ny distrika Ambatondrazaka no nisitraka ny tetikasa Fanilo avy amin’ny Rotary club Anosysy Lac Alaotra ny farany herinandro teo.Csb Adingadingana kaominina Ambato Sub Urbaine, Csb Ambohimena kaominina Ampitatsimo sy Csb Andilanatoby kaominina Andilanatoby ary Csb Bejofo kaominina bejofo.Fampitaovana herinaratra amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro no natolotry ny fikambanana Rotary ireo Csb efatra ireo.

 

 Efa sivy taona teo ho eo zay no nisy ny tetikasa Fanilo ho famatsiana herinaratra nokarakaraina ny fikambanana Rotary Club Anosy. Efa ampolony ireo CSB nisitraka izany .Nanamarika ny filoha ny fikambanana dokotera Rija Razafindramanana sy Atoa TAIKA fa mbola mitohy ny ezaka asa soa izay sahanina ny Rotary club lac alaotra sy ny Rotary club Anosy.Ireo rehetra nandahateny dia niantso ny amin’ny hikojakojana ireo fitaovana izay natolotra.Nanome voninahitra ny fotoana fanolorana ireo fitaovana ny depiote voafidy tao Ambatondrazaka Atoa Marohajaniaina.Marihina fa nisy ny lanona ho fandraisana mpikambana vaovao tamin’ny alin’ny sabotsy 10 febroary dia Charles sy Altiana ary Tsalama.Izy telo mirahalahy izay samy nanao fianianana fa hankato sy handala ny fitsipika mifehy ny fikambanana.


                                                                     Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT