Toekarena

“Robot” 300 hasolo ny mpiasa Mihorohoro ny mpiasan’ny Ultramaille


  • Alarobia 10 Mey 2017

Efa misy ny mampiasa ny “Robot” ho solon’ny olona miasa amin’ireny orinasa afaka haba ireny amin’izao fotoana izao fa tsy honohono intsony.

 Anisany ny Accord Knits eny Andraharo, izay efa nandroaka mpiasa 150, roa taona lasa izay, raha ny fanazavan’ny mpitarika Sendikan’ny Kristianina Malagasy (SeKriMa) tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneraly nasionaliny, Botodia Rhemi Henri omaly. Amin’izao fotoana, ny orinasa afaka haba Ultramaille indray no voalaza fa nanafatra "Robot" 300 ary efa any anaty sambo izany. Maro indray ny mpiasa mitebiteby satria manahy ny horoahina, ka ireo fitaovana avo lenta ireo no hasolo azy. Ambara ho tsy vitan’ny olona ny asa toy ny  ny “tricotage”, ka izay no hanafarana fitaovana hanao azy. Manoloana izany, tsy rariny ny fanesorana mpiasa amin'ny asany amin'ny alalan'ny fampiasana "Robot" hasolo azy ireo, hoy ny SeKriMa. Anisan’ny lalàna nampidirana ny orinasa afakaba teto amintsika tamin’ny taona 1989 ny hampihenana ny tahan’ny tsy an’asa teto amintsika. Ny fampiasana tanana no antony nisian’ny  orinasa fa tsy ny fampidirana “Robot”. Izany no antony nanaovantsika politika mitodika tamin’ny fampiasana ny orinasa afaka haba tamin’ny fotoan’androny. Marina fa misy ny asa mety tsy ho vitan’ny tanana fa ilana masinina saingy mila lanjalanjaina sy tsinjovina ireo very asa, ary mila manokatra asa vaovao ny mpampiasa raha toa ka hampiditra “robot”, hoy Botodia Rhemi Henri. Tsy mitsinjo ny maha olona ny fisian’izy io, hoy ny sekretera jeneralin’ny SeKriMa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT