Toekarena

Rivo Rakotovao Miantso fifanakalozan-kevitra amin’ny mpandraharaha


  • Alarobia 06 Mey 2020

Nisokatra omaly 05 mey 2020 tolakandro ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimiera roa tonta.

 

 

 

Nandritra ny kabary fanokafana no nanambaran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao fa mandalo fotoan-tsarotra ny Firenentsika amin’izao fotoana izao, ka mila firaisankina sy ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay. Nohamafisiny ihany koa fa tokony hitandrina ny Malagasy rehetra eo amin’ny fahasalamana satria tsy misy mahalala ny ampitso. Nanainga ireo vondrona mpandraharaha moa ny tenany mba hiroso amin’ny ady hevitra sy fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ny Loholona mba ahitana ny tetika rehetra entina hampandehanana indray ny lafiny ara-toekarena. Amin’izao ady sarotra lalovan’ny firenena izao, hoy izy, dia tena tokony ho laharam-pahamehana ny fanjifana ny vokatra anatiny ho fitsimbinana ny tombotsoan’ny besinimaro. Nasiany resaka ihany koa ny mba hijeren’ny mpitondra fanjakana ireo tantsaha izay ao anatin’ny fiakaram-bokatra ankehitriny, ary koa ny mba hanampiana ireo indostria eto an-toerana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT