Toekarena

Rivellino Ravelomahazo “Tokony sokafana kokoa amin’izay ireo seha-pihariana!”


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Fanahiana amin’ny fiiban’ny toekarena no antony tsy nanaovantsika malagasy ny atao hoe fihibohana tanteraka na “confinement total”, hoy ny fanamarihan’ny mpandinika raharaham-pirenena, Rivellino Ravelomahazo.

 

 

 

Aty amin’ny tany mahatra toa antsika tsy ahafahana miatrika izany. Zahana anio ny sakafony anio ho an’ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy ka antony nakan’ny fitondram-panjakana risika izay miafara amin’izao fialana tsikelikely amin’ny fihibohana izao izany, hoy ny fanazavany. Mbola tsy maintsy mipetraka kosa anefa ny fepetra tsy hampihanaka ilay valanaretina Coronavirus. Antony nitazomana ilay hoe tapak’andro ihany io no hiodinan’ny seha-pihariana. Mifindra amin’ny fotoana rehetra ny COVID 19 saingy voatery mitady ny mamy ao anatin’ny mangidy isika, hoy izy. Efa miiba izao ny toekaren’ireo firenen-dehibe toa an’i Frantsa sy Angletera ary Alemana. Ao anatin’ny paikadin’ny governemanta malagasy hahafahana manarina aingana ny toekarentsika kosa ny fametrahana ireny Vatsy tsinjo sy Tosika fameno anaty fiarahamonina ireny. Tokony ho sokafana kokoa amin’izay anefa, hoy izy, ny seha-pihariana eto Madagasikara toy ny resaka fanafarana entana sy ny resaka fisokafan’ny sidina saingy tsy tokony mbola alana kosa anefa ny fahamehana ara-pahasalamana sy ny fepetra ilaina ao anatin’izany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT