Toekarena

Rivellino Ravelomahazo “Mampijotso ny harinkarena ny sisintany mihidy”


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Ny lalampanorenana no lalana ambony indrindra eto amin’ny firenena, hoy ny mpahay lalana sady mpandinika raharaham-pirenena, Rivellino Ravelomahazo.

Ny andininy faha 61 ao amin’ny lalampanorenana dia manome fahefana ny Filohan’ny repoblika hahafahany mandray fanapahankevitra mikasika ny hahamehana, hoy izy. Raisiny eo amin’ny filankevitry ny minisitra izany fanapahana izany. mialoha izay ny fakana ny hevitry ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana sy ny filohan’ny antenimiera 2 tonta. Io fakan-kevitra io koa mbola azo itarina. Mety amina fiarahamonim-pirenena na FFKM na sehatra ara-pahasalamana, izay tena mpahalala, mba hahafahan’ny filoham-pirenena manana fahalalana rehetra ahafahany manapa-kevitra. Ny mety mampalailay ny mpanohitra amin’izao fotoana izao eo anatrehan’izany dia ilay fitiavan’izy ireo te hanao hetsika fanoherana amin’ny endriny rehetra. Manelingelina ny finiavana hisarika vahoaka ny hahamehana satria ilay fahafahana hiteny, hamory olona, haneho hevitra voalazan’ny lalampanorenana ao amin’ny andininy faha 4 sy 6 koa dia voatohitohina. Azo atao tsara anefa, raha ny voalazan’ny lalampanorenana hatrany ny famerana izany fahafahan’ny tsirairay izany rehefa hitan’ny fitondram-panjakana fa ilaina ny mametra azy ho tombontsoa iombonana. Izay ilay hoe “c’est l’exception qui confirme la règle”. Afaka mitory eny anivon’ny HCC koa ny mpanohitra mahakasika izany amin’ny olompirenena manana zom-pirenena azy. Ampiasaina eto ny fampisarahana ny fahefam-pitsarana sy mpanatanteraka ary mpanao lalana. Eo koa ny haino aman-jery na ilay fahafahana miteny. Hitantsika fa voahaja izany ka noho izany, tsy mandika lalampanorenana ny fanaovana hahamehana. Iraisan’izao tontolo izao ny atao hoe arofeni-pahasalamana, izay nanomboka tamin’ny fizarana fanafodin’ny OMS nankaty amin’ny fanekena fanafody nentim-paharazana nasiam-panavaozana ka hatraty amin’ny vakisiny aty. Rehefa feno ny fenitra dia manomboka ny fahafaha-mamory olona sy fisokafan’ny sisintany. Ilain’ny fivoarana ara-ekonomika ny fisokafan’ny sisintany fa tsy hoe tsy maintsy idirana. Mampijotso ny harinkarena ny sisintany mihidy, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT