Rivellino Ravelomahazo

«Hahasoa kokoa ato ho


  • Alakamisy 05 Martsa 2026

ato ny lalam-barotra miantsinanana»

Ny antsoina hoe «coopération bilatéral multiforme» na fiaraha-miasa amina firenena 2 tonta amin’ny endriny samihafa dia isan’ny efa fotokevitra noresahina hatrany tao anatin’ny fikambananay na ny JPRM na Tanora tia tanindrazana repoblikanina eto Madagasikara, hoy ny mpitarika azy ireo, Rivellino Ravelomahazo. Hita ho manatanteraka izany izao ny fitondràna ankehitriny, hoy izy. Ny sasany mety fiaraha-miasa ara-toekarena. Ny sasany mety ara-kolontsaina. Ny herim-panjanahana teto amintsika hatramin’izay dia ny frantsay. Amin’izao kosa, amin’ny maha nosy, dia hita ho misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra i Madagasikara. Mikasika ny ady any «Moyen Orient» dia ny jeopolitika amin’izao mihitsy no tsy lasa atsimo sy avaratra intsony ihany fa andrefana sy atsinanana. Fifanandrinana an-kolaka eo amin’ny amerikanina sy sinoa io. Izay io fivoarana ara-jeopolitika manerantany izao io. Ny ady izany tsy hoe any Chine na Etazonia no mitranga fa amina mpanelanelana dia Israely izany. Ny ifandraisan’ireo roa tonta ireo dia mampiasa hery sy tanjaka amin’ny alalan’ny demokrasia izay miampanga ny andaniny ho jadona. Hitantsika ny nakàna an-keriny ny filohan’i Venezuelà, Nicolas Maduro, izay niampy resaka «Narco-trafiquant» na trafika avo lenta atao amin’ny zava-mahadomelina koa. Venezuelà nanao fifanarahana tamin’i Chine, izay namatsy ny kitapom-bolam-panjakàna venezoelianina izay natakalo solitany aondrana mivantana any Chine. Izany no isan’ny namoronan’ny amerikanina ireny rehetra ireny hambaboany an’i Venezuelà. Hitantsika koa ny adin’i Iran sy Irak taloha. Golf persika tamin’ny taona 1990 izany. Io fa mitranga indray eo amin’i Iran sy Israely. Miasa ao Iran ny vondrona mpampihorohoro Iesbolà, izay tsy mampandry fahalemana an’iny Golfan’i Arabia iny. Porofon’izany vao raikitra ny ady dia voatafiky ny fanafihana avy any Iran daholo ireo firenena rehetra toa an’i Barhein, Syrie, Katara, Arabia saodita. Izay no hanararaotan’ny amerikanina hiampangàna an’i Iran ho manao jadona sy hoe manampy mpampihorohoro. Israely aloha no nasainy nanafika voalohany tamin’ny jona. Tena nandaroka indray izany izao Israely ary nahafaty ny olobe voalohany na «guide suprême» ao Iran. Mitranga ny ady. Tafiditra ny amerikanina sy israelianina fa mbola ao ambadika ao koa ny sinoa sy rosianina, izay mamatsy ara-toekarena sy mifanakalo amin’i Irak sy Iran, izay tratry ny fanagiazana na «embargo» izao. Ireo izany mahita tombony sy vola ankoatran’ny solitany ao Iran. Sahy manafika sy mampiasa hery ny matanjaka no dikan’izany rehefa hiaro ny tombontsoany. Tsy resaka finoana sy demokrasia io. Miantona ao amin’ny «Detroit d’Ormuz» daholo izao ny sambo mitondra varotra samihafa sy solitany. Fantatsika fa tsy any irery no manafatra solika i Madagasikara. Tsy misy hatahorana loatra raha ny ho an’i Madagasikara mikasika an’iny fa ny fiantraikany iombonana manerantany no ahiana amin’ny vidim-piainana sy vidin-tsolika. Izany rehetra izany izao no tokony iomanan’i Madagasikara. Ahoana no fomba hiatrehan’i Madagasikara izany? Mila atrehina dien’izao sy vahana io, indrindra, ny resaka solika. Ny resaka solika sy filàna an-davan’andro izay nifanarahana tamin’ny tandrefana hatramin’izay dia mila iomanana dien’izao ny mitady lalam-barotra vaovao satria hahasoa antsika kokoa izany ato ho ato ny lalam-barotra miantsinanana satria sempotra ny eoropeanina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT