Toekarena

Rio Tinto sy ny Fanjakana Malagasy Nanavao ny lalàna ara-ketra momba ny QMM


  • Talata 02 Martsa 2021

Nifampidinika ny Fanjakana Malagasy sy ny Rio Tinto ny 16 febroary lasa teo mikasika

ny fanavaozana ara-ketra ampiharina amin’ny tetikasa QIT Madagascar Minerals (QMM). Mifadraika amin’ny fifanarahana nankatoavina teo amin’ny antenimieram-pirenena ny taona 1998 izany. Notsindriana fa mifanaraka amin’ny lalàna manan-kery mikasika ny tontolon’ny harena a-kibon’ny tany sy ny fadin-tseranana. Maharitra 25 taona ny fifanarahana, ka ny taona 2023 no mety hisy fandinihana indray. Araka ny voafaritra amin’io fifanarahan io, dia mila iadian-kevitra roa taona mialohan’ny fahataperan’ny fe-potoana ny lafiny ara-ketra sy fadin-tseranana ka izay no anton’io fifampidinihana tamin’ity 2021 io. Ahafahana mametraka sy hampazava ho an’ny andaniny sy ny ankilany ny zava-misy mikasika ny tetikasa QMM sy ny fiaharaha-miombon’antoka eo amin’ny Rio Tinto sy ny Fanjakana Malagasy. Mba hahamarin-toerana ihany koa ny fandraharahana ny anton’ny finavaozana. “Ny fanavaozana ny lalàna ara-ketra dia tafiditra tao anatin’ny fepetra ahahafana manome antoka amin’ny fitohizan’ny QMM ka samy mahazo tombony ireo ny mpiara-miombon’antoka», hoy ny Filoha Tale Jeneralin’ny QMM Rtoa Ny Fanja Rakotomalala.

 

Mampiasa vola 1 miliara dolara eo ao amin’ny QMM ny Rio Tinto, ka maherin’ny 300 tapitrisa dolara haompana amin’ny fotodrafitrasam-bahoaka eny ifotony. Namorona asa mivantana 2000. Isan-taona, manao fampiasam-bola manokana amin’ny lafiny tontolo iainana eny ifotony, manampy amin’ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fampandrosoana ireo orinasa madinika. Ho an’ny fahasalamana manokana, dia nahatratra 500 000 dolara ny fanampiana nentin’ny orinasa niadiana tamin’ny covid-19 teto Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT