Nandray anjara mavitrika tamin'ny andiany faharoan'ny FIA na ny « Foire Internationale de l'Agriculture » ny 13-16 septambra lasa teo tao amin'ny Zone Forello Tanjombato ny Openflex,
izay efa hita tamin'ny fampirantiana novokarin'ny Première Ligne rehetra tamin'ity taona 2018 ity. Ambohipihaonan’ireo mpandraharaha ny sehatry ny fambolena sy fiompiana ity seho ity, tao anatin'izany ny orinasa lehibe sy ireo madinika. Nisy ny ezaka manokana notanterahina mba handraisan'ireo tantsaha madinika anjara. Niavaka ny fampirantiana ny toerana natokana ho an'ireo milina fambolena sy ny fanatrehan'ireo toeram-pitantanana ny fambolena sy fiompiana isam-paritra. Nomena lanja tamin'izany ny fahamaroan'ny tolotra sy ny fangatahana izay natao mba hifandraisan'ny rehetra anjara. Tanjona ny hampisondrotra ny toekaren’i Madagasikara amin'ny alalan'ny fambolena sy fiompiana. Mila mifanome tanana ny rehetra na ny eo amin'ny sehatra miankina na tsia ka hatrany amin'ny tantsaha madinika. Izay no nahatonga ny Openflex, ilay rindrambaiko (logiciel) natao ho an'ny Malagasy, handray anjara, mba hitondra ny anjara birikiny amin'ity tanjona iombonana ity, ka vinany ny hampandroso ireo orinasa madinika sy salantsalany amin'ny alalan'ny rindrambaiko izay novokarina hanaraka ny lalàna Malagasy. Ho fanehoana ny fahavononana dia nizaran’ny Openflex rindrambaiko « Vente&CRM » maimaimpoana ireo mpitsidika ary nandray an-tanana ireo fangatahan'ny mpandray anjara izy. Irina tokoa izany fa afa-po tanteraka tamin'ity hetsika ity na ny mpitsidika na ny mpandray anjara, indrindra koa fa nahita izay mahasoa azy ny tsirairay, hoy ny mpamokatra ny Openflex.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.