Rindra Hasimbelo, minisitry ny vola teo aloha

Mitsikafona ny dosie sy fitantanana mampiahiahy…


  • Alarobia 05 Novambra 2025

Nivoaka tamin’ny fahanginany

ny olom-pirenena anatin’ny « Collectif Citoyen pour la Transparence » na Vondron’ny olom-pirenena ho an’ny mangarahara manoloana ny fanendrena an-dRamatoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena. Fanendrena mampametra-panontanina sy manaitra ny feon’ny fieritreretana nasionaly. « Tao anatin’ny andro vitsy lasa izay, nahare izahay fa voatendry ho Tale Mpanatanteraka misolo tena an’i Madagasikara ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena any Washington D.C. Ramatoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison, minisitry ny Fitantanam-bola teo aloha. Ity toerana stratejika ity dia manome andraikitra lehibe aminy amin’ny fiarovana ny tombontsoa ara-toekarena sy ny fanaraha-maso ny tetikasa fampandrosoana miaraka amin’ity andrim-panjakana iraisam-pirenena ity. Saingy, mampahatezitra lalina ity fanendrena ity », hoy ny Fanambarana. Ahoana no ahafahan’ny Banky Iraisam-pirenena manome andraikitra amin’ny olona avy amin’ny governemanta nolavin’ny vahoaka malagasy? Ahoana no ahafahany manome solonten’ny firenena amin’ny olona mifandray amin’ny tsy fahombiazana goavana amin’ny fitantanam-bola? Hoy ny fanontaniana. Mahitsy noho izany ny Collectif Citoyen pour la Transparence nilaza fa ity fanapahan-kevitra ity dia mampitombo ny ahiahy sy tsy fahatokisana izay efa ananan’ny firenena afrikanina maro amin’ity andrim-panjakana ity, izay matetika ampangaina ho tsy mahavita manampy amin’ny fampandrosoana mitovy sy maharitra. Tsarovy, hoy ity fanambarana ity, fa telo taona lasa izay, Ramatoa Rabarinirinarison dia nanao sonia fifanarahana famatsiam-bola mitentina 118 tapitrisa dolara miaraka amin’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana ho an’ny tetikasa herinaratra Sahofika (205 MW), izay natao hamahana ny krizy angovo eto Madagasikara. Ity tetikasa ity, izay nambara ho vahaolana mahagaga, dia tafiditra anaty olana lehibe ankehitriny. Ratsy lavitra noho izany, tsy hita mazava ny nanjavonan’ny vola, hoy hatrany ny fanambarana. Ahoana no ahafahana manadino izany andraikitra izany? Ahoana no ahafahana mbola manandratra olona tafiditra amin’ny raharaha manjavozavo tahaka izao? Noho izany, amin’izy ireo ity fanendrena ity dia azo adika ho valisoa amin’ny asa nataony tsy ho an’ny tombotsoantsika, ka manimba ny vahoaka malagasy izay hiatrika ny vesatry ny trosa mandritra ny taranaka maro.
MITAKY MANGARAHARA SY RARINY
Mihoatra lavitra noho ny raharaha Ravatomanga ity toe-javatra ity amin’izy ireo. Tsy mikasika olona tokana fotsiny, fa manohintohina andrim-panjakana iraisam-pirenena izay tokony haneho fahitsiana, mangarahara ary etika. Tsy tokony ho vitavita fotsiny ny resaka vola be tahaka izany, tsy misy fanadihadiana, tsy misy tompon’andraikitra. Mitaky fanazavana avy hatrany : Avy amin’ny Fanjakana Malagasy, momba ny fepetra amin’ny fanendrena sy ny fanarahana mikasika tetikasa Sahofika. Mitaky avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, momba ny fepetra amin’ny fisafidianana solontena sy ny fijeriny manoloana ny fiampangana amin’ny fitantanana tsy mazava. Ny fanaovana sonia fifanarahana famatsiam-bola dia midika fanoloran-tena ho an’ny firenena. Midika famoronana trosa izay tsy maintsy averin’ny taranaka ho avy. Raha misy kolikoly na tsy firaharahana amin’izany trosa izany, dia tsy maintsy mitondra andraikitra ireo izay niteraka izany. Ramatoa Rabarinirinarison, amin’ny maha-minisitry ny Fitantanam-bola azy teo aloha, dia tsy afaka miala amin’izany andraikitra izany. Mandà izahay amin’ny fanolorana an’i Madagasikara amin’ny endrika taloha izay efa tsy nahomby. Miantso izahay amin’ny fitondrana vaovao marina, mitsinjo ny tombontsoa iombonana sy ny rariny ara-tsosialy, hoy ny ampahan’ny fanambarana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT