Toekarena

Revolisiona indostrialy « Mila angovo maharitra isika ary tsy lafo »


  • Alarobia 07 Desambra 2022

Nanamarika ny Andron’ny Fampiroboroboana ny Indostria aty Afrika i Madagasikara. Nisy ny hetsika manokana natao tetsy amin’ny Novotel Alarobia nanamarihana izany omaly.

Nivoitra nandritra izany fa antoka amin’ny fananganana indostria manerana an’i Madagasikara ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina. “Tsy misy ny Indostria raha tsy misy ny angovo. Mila angovo maharitra isika ary tsy lafo. Mila trandrahana ny akora fototra amin'ny harena ankibon'ny tany sy Akoran’afo mba hahaleo tena amin'ny angovo ny Indostria”. Nazava ny tenin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha nanokatra ny hetsika nanoloana ny mpanatrika izay nahitana mpikambana ao amin’ny Governemanta, diplomaty ary tompon’andraikitra avy amin’ny Sehatra tsy miankina. Notsindrian’ny Minisitra fa vahaolana amin’ny fizakan-tena ara-tsakafo ny fanodinana ny vokatry ny fambolena. Raha ny siramamy no resahana dia misy tetikasa lehibe roa any Vatomandry sy Morondava hamokatra siramamy 129.000T tsy ampy ankehitriny. Momba ny lafarinina dia nisy fitomboana ny famokarana tato anatin'ny taona vitsivitsy. Nampiomana ny minisitra miasahana ny Fampiroboroboana ny Indostria fa efa ho avy eto Madagasikara ny fitaovana ahafahana manangana orinasa salantsalany miisa 75. Iantsoana sy angatahana fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina avokoa izany. “Tsy ho tanteraka ny revolisiona indostrialy raha tsy miaraka mandresy ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina”.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT