Toekarena

Rejisitra nasionaly tokana Nifandinika ny Governamanta sy ny Banky Iraisam-pirenena


  • Talata 04 Aprily 2023

Nivory niaraka tamin’ny Banky Iraisam-pirenena ny mpikambana ao amin’ny Governemanta ka nitarika an'izany ny Praiminisitra Ntsay Christian.

 Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny fihaonana izay nandinihana manokana ny fametrahana ny rejistra nasionaly tokana eto Madagasikara. Marihina fa paikady ahafahana manome ny laharam-panondroana tokana ho an’ny olom-pirenena tsirairay avy izany, hoy ny tatitra tsara. Tsara moa ny mampahatsiahyy, fa efa tany amin’ny desambra 2020 no nolanian’ny Solombavambahoaka ny Volavolan-dalàna laharana 019/2020, findramam-bola 140 000 000 Dolara entina manatanteraka ny « digitalisation » na ny fampidirana ny olom-pirenena tsirairay anaty « base de données » mikasika ny sata sivily antsoina hoe PRODIGY (Projet du Gouvernement Digital et de Gestion de l’Identité Malagasy). Izany dia ho ampiasaina amin’ny fikirakirana ny kopia, kara-panondro, fisotroan-dronono, fifidianana,…, izay iarahana amin’ny IDA, rafitra iray ao amin'ny Banky iraisam-pirenena. Ny aogositra 2022 kosa no nilazana nandritra ny atrikasa natrehan’ireo tompon’andraikitra misahana ny fitantanana ny lafin-tany, fa kaominina 170 amin’ny faritra 7 no hatao fitaratra na “pilote” amin’ny PRODIGY hanombanana 86 tapitrisa dolara, ary mivelatra manerana ny Nosy avy eo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT