Toekarena

Ranomasina manodidina an’i Madagasikara Ho takiana atao Riaka Malagasy ny anarany


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Ankoatry ny tolo-dalàna efa napetraky ny hetsika Harenantsika ireo nosy ireo

 

 

 

momba ny famerenana ireo nosy Malagasy nankatoavin’ny antenimieran-doholona ho lasa volavolan-dalana mitondra ny laharana 002/2020/PPL sy efa nalefan’izy ireo any amin’ny governemanta farany teo dia nanambara tetsy amin’ny Motel Anosy omaly ity hetsika ity fa ho takian’izy ireo ho atao amin’ny teny Malagasy ihany koa ny anaran’ny ranomasina manodidina an’i Madagasikara. Tsy ho atao hoe ranomasina indianina intsony, hoy ny mpitsara iraisampirenena teo aloha, Arlette Ramaroson, fa ho atao hoe Riaka Malagasy. Tokony efa ovana amin’ny teny Malagasy ihany koa, hoy hatrany izy ireo, ny anaran’ireo nosy manodidina ary velom-bola manoloana ny fandanian’ny antenimierandoholona ilay tolo-dalana natolotray farany teo. Tokony efa ho “Nosy sambatra” izao fa tsy “Ile glorieuse” izany intsony, “Nosy Kemba” fa tsy “Juan de Nova”, “Nosy Bedimaky” fa tsy “Bassas da India”, “Nosy Ampela” fa tsy “Europa”. Tsy ho avelantsika koa I Tromelin. Ao anatin’ny ZEE antsika io ary misy Malagasy milevina ao. Misy Malagasy nipetraka koa. Tsy nisy na dia kolontsaina frantsay sy maorisianina akory tao. Ho apetrakay ato ho ato koa ilay tolo-dalana teo ary mbola hisy hanaraka indray avy eo izay handeha ho azy rehefa mivoaka ireo, hoy hatrany ity hetsika ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT