Toekarena

Ranomasimbe Indianina Hamporisihana hanjifa ny « Vita Malagasy»


  • Alatsinainy 08 Jona 2020

Nandritra ny fivorian` ny filankevitry ny ministra eo anivon` ny COI ny zoma lasa teo dia nanao ny tatitra momba ny ezaka nataon` i Madagasikara tamin` ny ady amin` ny “coronavirus” ny ministry ny raharaham-bahiny, Tehindrazanarivelo Djacoba A. S. Liva.

 

 

 

 

 

Namafisiny fa fanafody natoraly sady tsy misy akora toxika, ary mifanaraka amin` ny kolontsaina afrikanina ny tambavy CVO. Manoloana ny voka-dratsy eo amin` ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena naterak` ny Covid-19, nanambara ny minsitra fa fotoana izao hanatanterahina ny programam-paritra eo amin` ny fiarovana ara-tsakafo. Manoloana izany, namporisika ny fampiroboroboana sy fanjifana ny vokatra « Vita Malagasy » indrindra ny fambolena, ny fiompiana ary ny indostria « agro-alimentaires » ny lehiben` ny diplaomasia. « Manasa an` ireo firenena mikambana eo anivon` ny COI aho hanisy lanjan` ny vokatra Malagasy indrindra amin` izao vanim-potoana izao», hoy izy. Eo anivon` ny fifandraisana ara-paritra, mila mahay miatrika ny krizy ireo firenena mikambana eo anvon` ny COI izay niteraka akony ara-toekarena eo anivon` ireo « Petites et Moyennes Entreprises » sy ireo mpandraharaha amin` ny sehatry ny fizahan-tany sy ny fitaterana, hoy hatrany ny ministra Tehindrazanarivelo Djacoba.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT