Toekarena

Ralison Roger “Tsy voaresaka ny toekarena sy sosialy”


  • Talata 05 Mey 2020

“Diso fanantenana ny olona satria niompana loatra tamin`ny fanafody ny resaka. Fananganana ozinina, fiarahana amin` ny afrikanina. Tsy ratsy izany satria tsara ny manandratra ny maha Malagasy saingy variana loatra amin`ny fanafody” hoy Ralison Roger, mpahay toekarena.

 

 

 

Namafisiny fa tsy voaresaka ny toekarena, ny sosialy , ny fandriampahalemana, ny asa sy maro hafa. Ho voatantana araka ny tokony ho izy ve ireo krizy ireo rehefa miala amin`ny fihibohana ? hoy ihany izy. Tsy maintsy mamerina ireo orinasa sy ireo olona tsy an` asa ny fitondram-panjakana. Marihana ihany koa fa 70%n` izy ireo no tsy ao anatin` ny sehatra ara-dalàna. Noho izany, ahoana ny hamerenana azy ireo? Misy amin` izy ireo no tsy manana enti-manana intsony. Raha mitantana firenena dia tokony hieritreritra ny iray na roa volana manaraka ny fitondram-panjakana, fa tsy variana amin'ny anio sy ny rahampitso fotsiny, hoy hatrany ity mpahay toekarena ity.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT