Mila ilay tena atao hoe fanavaozana
ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Hitantsika, hoy izy, ny tolona natao teto. Matoa ny vahoaka nihetsika dia nisy notakiany tao. Te hiova sy te hanana fiainana vaovao ny malagasy dia ny hoe misy fihatsaràna any an-tokantrano tsirairay avy na any amin’ny fambolena na fiompiana na karama sy fari-piainan’ny olona tsirairay avy. Nahakasika izany ve ny fakàn-kevitra natao teny Iavoloha nandritra ny herinandro. Mila olom-baovao i Madagasikara. Mila olona mijoro sy tena tia fahamarinana. Olona tena hikarakara ny harena an-kibon’ny tany ho tombontsoan’ny malagasy fa tsy sanatria hangalatra an’izany. Mba tsy ho mpangataka lava i Madagasikara, izay tokony ho lohany fa tsy rambony toy izao nefa hananantsika eto daholo ny harena voajanahary maro. Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara. Ireo mpanao politika no heverina hoe herivelona eto amin’ny firenena. Mandady mitady toerana izy ireo. Mila mitandrina amin’izany ny fitondràna. Matetika ny fanaovana politika eto Madagasikara dia fanangonan-karena sy fitiavan-tena. Ny hita teo aloha dia tsy refesi-mandidy, manampatra fahefàna, mihevitra ho tompon’ny fahefàna. Tsy tokony ho izany intsony nefa fa politika entina manompo vahoaka no iainana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.